Entrée | 1 Tsy embona |
Mots élémentaires | 2 tsy, 3 embona |
Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
Auteur |
6 Rabearivelo Jean-Joseph |
Texte complet |
7 Tsy mba zavatra vao, 8 Fa tena fahita hatramin'ny ela 9 Ny tahaka izao: 10 Raha ritra ny rano, ny sisa tavela 11 Dia fotaka monja - 12 Dia fota-mandrevo nalamin'ny onja! 13 Ny hany fitana: 14 Ny onin'ny fiainana. Anefa ka foana. 15 Hany ka ana 16 Ilay fo manantena firavoravoana 17 Hatrany hatrany, 18 Ka heriny sisa, nisotro tomany! 19 Kanefa, hoy aho, 20 Tsy hoe ranomaso voalokon'ny kiry 21 Na ran'ny talaho 22 No tonga nameno impiry, impiry 23 Ilay fo nitadidy- 24 No tonga nameno kapoaka mangidy! 25 Fa hany nandoko, 26 Dia volon-davenona hilaza fa maty 27 Ilay afon'ny foko 28 Nitsilo ny lakana nita tanatin' 29 Ny fahatsiarovana 30 Efa lavo sy lanin'ny fotoam-pahalovana! 31 O! rivotra adala 32 No sendra nandalo nanao tora-javona! 33 Nony efa niala, 34 Tsy afa-nitondra afa-tsy hery sy avona... 35 Ka inona foana 36 No tonga nanairany fanadinoana? 37 Etsetra, etsetra... 38 Dia inty aho tody fitana hafa indray; 39 Ary tsy mba hitsetra 40 Raha sendra miverina ilay fiainana iray 41 Izay lasan'ny taona 42 Nitoeran'ny foko efa nanala saona! 43 Nikoro! Nifono 44 Lavenona manja ny andro fahiny! 45 Mivolon-dronono 46 Ny kaopy nasoloko iny kaopiko iny! 47 Ry fahatsiarovana, 48 Hianao efa lanin'ny fotoam-pahalovana! 49 Tena zavatra vao 50 Sy mbola tsy hita hatramin'ny ela 51 Ny torak'izao: 52 Ny rano efa ritra - tsy nisy tavela, 53 Na fotaka monja! 54 Nankaiza? Nankaiza? - Navalan'ny onja! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |